Ahoana no Hahalalako Raha Tena Fitia Tokoa izy Ity?

Ahoana no Hahalalako Raha Tena Fitia Tokoa izy Ity?

10 mars 2025

Ahoana no Hahalalako Raha Tena Fitia Tokoa izy Ity?

Ny fifandraisana sy fitiavana maharitra ao anatin’ny fiarahan’olondroa dia mila asa, hafaretana sy fotoana!

Matetika ampifangarontsika amin'ny angano sy ireny horonantsary ireny ny "tena fitiavana", na amin'ny fampakaram-bady mihoa-pampana sy sarimihetsika tantaram-pitiavana momba ny mpivady miara-mandresy ny zava-tsarotra ary miara-manorina fiainana mahafinaritra izany.

Ny foto-kevitry ny tena fitiavana dia mampanontany tena ny mpikaroka maro, misy fikarohana akademika mihitsy milaza fa ny fitiavana dia traikefa izay miompana amin'ny fitambarana fihetseham-po lalina isankarazany izay mampitombo ny fahafahantsika miaina.

##

20230128150753.jpg

Na dia misy tokoa aza ny fahamarinana ao anatin’izany, manomboka amin’ny fiezahana hiteraka ka hatramin’ny firaiketam-po lalina izay afaka manome fanohanana mandritra ny fiafaran’ny fiainantsika, dia mety ho sarotra ho hita ny fitiavana lalina.

Ahoana ary no hahatsapana fa izay ilay tena fitia?

###

Ny fifanekena sy ny fifanohanana tsy misy fepetra dia anisany mampiseho sy maneho fitiavana marina. Zava-dehibe ny mifanaiky sy mifanohana amin'ny fotoana rehetra. Tsy midika akory izany fa miala amin'ny fahamarinana manahirana ianao, na hoe tsy miady na hoe tonga lafatra ny fiarahana. Fa amin'ny fitiavana marina, afaka matoky ianao fa afaka manao sy maneho ny marina ary raisin’ilay ankilanao amin’ny maha-izy anao ianao. Ankoatr’izany, afaka matoky ianao fa marin-toetra aminy sy aminao ny Sakaizanao, ary tahak’izay koa ianao aminy.

###

both on the phone.JPG

Saingy, ny tena fitiavana dia tsy ny fanajana ny soatoavina sy ny fetra ihany. Misy singa manaitra ihany koa izay mitazona anareo ao anatin'ny fifandraisana raha sendra mihenjana ny tady…

Mbola hitohy. Aza miala!

Nanoratra: ~ajita

Sary: Smiley Shooting

Fanehoan-kevitra

Zarao ny hevitrao