Izaho sy ny nofinofiko - Izy sy ny nofinofiny
Maro ny zavatra hitako ka izay no nanosika ahy hanoratra mikasika azy ity.
Hatraizan'ny fetran'ny nofinofinao ? Ny lanitra no fetra sa rehefa tsy mifanaraka amin'ny sakaizanao dia ajanona izany?
Ohatra vitsivitsy ireto lazaiko ireto. Tantara Tena nisy fa tsy noforonina.
"Manodidina ny 20 taona i Koto sy Kemba. Samy vao afaka bacc. Vonona hiantoka an'i Kemba hianatra any ivelany ny rainy. Tsy nety nandeha izy fa malahelo an'i Koto hono .
Dia ahoana tokoa moa izany no tena tokony natao?
" 6 taona niarahana i Bina sy Kala. Nahazo asa tany ivelany i Kala. Tsy mazoto handeha i Bina Ka dia najanona ny fiarahana nefa dia Tena nifankatia tokoa "
Tena nifankatia tokoa ve? Tena izay tokoa ve ny vahaolana? Inona tokoa no tokony natao ?
Folo taona nivadiana Ravao Sy Rabe. Samy manana asa tsara ary manan-janaka mianadahy. Nahazo asa tsara kokoa any ivelany i Rabe sady afaka mitondra fianakaviana hono ary iantohana ny fianaran'izy dahy. Misy toy izany indray ve moa? Tian'i Ravao loatra nefa ny asany Ka naleony nijanona teto an-tanindrazana Ka izy telo mianaka no nandeha. Tsy nisaraka akory izy ireo fa dia nisara-toerana izany.
Ahoana tokoa moa izany ? Sarotra ny fandidiana an. Inona no nataonao Raha ianao no teo amin'ny toeran'izy ireo ?
"Tovovavy efa nanonofy hiasa amin'ny teny anglais Sy hi-voyage i Soa Sy i Ndriana. Raiki-pitiavana tamin'i Ndriana izy nanam-pikasana hivady izy ireo. Rehefa tapa-kevitra fa hiros lalindalina kokoa amin'ny fiarahana izy ireo, izany hoe hanao vodiondry dia nilaza I Ndriana hoe: " Mila miasa birao toy ny olon-drehetra amin'izay ianao ry Soa ka ajanona hatreo ny voyage". Mbola nanampy fepetra hafa ihany koa izy ankoatra izay . Teo ihany dia nofaranan'i Soa ny fiarahan'izy ireo .

Tena nisy avokoa ireo nozaraiko ireo. Ary ny farany moa dia tantara niainako. Tsy manana raiki-pohy mazava ho zaraina aho fa tsotra ny tiako lazaina. Olombelona samy nanana ny tanjony sy ny nofinofiny no nampiraisin'ny fitiavana. Amiko tsy tokony ho sakana tsy hanatrarana ny nofinofinao ny sakaizanao . Aleo ifampiresahana ny zavatra rehetra ary jerena izay marimaritra iraisina. Rehefa tsy misy kosa nefa izany dia aleo atsahatra dieny mbola tsy tara loatra ny fiarahana sao handeha ila.
Adrienne Irma Rabemanantsoa
Sary: Smiley Shooting
Fanehoan-kevitra
Zarao ny hevitrao