Minia Mitia ~ Miaina amin’ny Nahim-po

Minia Mitia ~ Miaina amin’ny Nahim-po

28 mars 2026

Iza aminareo ato no efa niaraka taminay nanomboka ny taona 2023? Tsaroanareo ve ilay hetsika “Safidy Sakaiza” izay niresahantsika ny firaiketam-po sy ny resaka fitiavana afahanao mahalala anao kokoa sy ny safidinao nataontsika tamin’ny volana Septambra 2023 sy 2024 iny?

Tamin’izany indrindra no nifampizarana ny atao hoe inona izany “mitia” izany isika, ary resy lahatra fa ny “mitia” dia tsy inona fa “miaina” ihany koa. Mitondra aina ny fitiavana, fiainana ny fitiavana ary ny fitiavana dia fiainana. Izany hoe “miaina amin’ny nahim-po” rehefa minia mitia.

Tamin’ny volana Septambra 2025 moa tsy nisy nohon’ny zava-nitranga teto amin’ny firenena.

Niverina indray izy tamin’ity volana Martsa ity ary lasa hetsika “Minia Mitia” hiarahana amin’ny Sakaiza, F’aingo ary Association Psy-Kôzy Madagascar ilay izy.

Nisantatra azy ny lohahevitra manodidina ny ratra anaty ny Asabotsy faha-21 ny volana Martsa 2026 teo ary nampitain-davitra izany.

Fa maninona no io no nisantarana ilay hetsika “Minia Mitia”? Satria araka ny fikarohana maro samihafa dia ny fifandraisana sy ny fitiavana no anisany filana fototra ny olombelona, kanefa ireo ihany koa no sarotra indrindra aminy ny miaina azy.

Ny “Minia Mitia” anaty fifandraisana izay midika hoe “miaina amin’ny nahim-po” (vivre et aimer avec intention et en pleine conscience) dia karazana hetsika fifandraisam-pitiavana izay misy fampahafantarana, fifampizarana, fifangorahana, fifampitarihana, fifanakalozana ary fifanohanana Sakaiza ara-pitiavana sy ara-piainana.

Lohahevitra voafantina efatra no horesahana ary hifandimby: ratra anaty, firaiketam-po, fanehoam-pitiavana, sy fifandraisana lavitry ny herisetra. Ny volana Martsa sy Aprily no mihaona mifanesisesy dia manomboka volana May ka hatramin’ny volana Desambra no mihaona indray mandeha isam-bolana ary ho ampitain-davitra ny ankabetsahan’ny hetsika miaraka amin'ny @Sakaiza, @F’aingo ary @Association Psy-kôzy.

Hisy fihaonam-be “Safidy Sakaiza” mivantana in-droa isan-taona, ny volana Febroary sy Septambra izay hifanakalozana mivantana lohahevitra manodidina ny fifandraisana sy ny fitiavana ihany koa.

Natao ho an’ny olon-drehetra mihoatry ny 18 taona na olona misehatra amin’ny fitsaboana, na psikososialy, na psikiatria, na psikolojia, na matihanina amin’ny fifandraisana, na coach, na mentor, na mpampianatra, na mpanabe amin’ny ankapobeny ny hetsika “Minia Mitia.”

Manasa anao hanaraka ny tranokala na ny pejy afahanao manaraka ny tohiny “Minia Mitia” sy “Safidy Sakaiza.”

Nanoratra sy nanangona: ~ajita SoaSoa

Fanehoan-kevitra

Zarao ny hevitrao

Minia Mitia ~ Miaina amin’ny Nahim-po