Ireo Karazana Fanehoana Fitiavana

Ireo Karazana Fanehoana Fitiavana

06 décembre 2025

Ireo Karazana Fanehoana Fitiavana

Ny fianarana sy ny fahafantarana ireo karazana fanehoana fitiavana dia mety hampaharitra sy hampifankahazo ny fifandraisana eo amin’ny tsirairay izay liana ny hahazo kokoa ny tenany sy ny hafa.

Gary Chapman dia nanasokajy karazana fanehoana fitiavana dimy antsoina hoe "The 5 Love Languages". Ireo no fomba samy hafa anehoan'ny olona fitiavana sy itiavany hanehoana fitiavana ho azy. Samy manana ny fomba fanehoany fitiavana ny tsirairay ary tsy voatery mitovy kanefa afaka mifanojo sy mifameno izany amin’ny tsirairay.

Ireto avy izy dimy ireo:

  1. Ny teny mampahery sy mampirisika
  2. Fanehoana fitiavana amin’ny teny fandrisihana, fiderana, fankasitrahana, fanohanana.
  3. Ohatra: “Tiako ianao.”, “Tena mankasitraka anao aho.”
  1. Ny fotoana iombonana sy iarahana manokana
  2. Fitiavana aseho amin’ny fanomezana fotoana manokana ilay iray ary fifantohana amin’izay.
  3. Ohatra: mifanakalo resaka lalina, mampiaraka, tsy mikasika finday.
20230128172602(1).jpg

3. Ny fanomezana

  • Tsy voatery ho lafo vidy, fa fanomezana manan-danja ara-pihetseham-po.
  • Ohatra: voninkazo, taratasy kely, fanomezana misy dikan-teny.
  1. Ny fifanampiana
  2. Fitiavana aseho amin’ny fihetsika anampiana, toy ny manasa vilia, mikarakara zavatra ho an’ny hafa.
  3. “Rehefa misy manampy aho dia mahatsapa fa tiana sy manandanja.”
  1. Ny fifampikasohan’ny vatana
  2. Fitiavana aseho amin’ny fifampikasohana mitsinjo sy mihevitra ny hafa: famihina, fitsapatsapana tanana, fanatrehana ara-batana. Marihana fa tsara ihany ny fierana sy ny fifampiresahana indrindra alohan’ny hifampikasohana ary manampy izay fiheverana sy fitsinjovana ny hafa izay.

Amin’ny ankapobeny izany ireo voalaza etsy ambony ireo no fomba fanehoana fitiavana ary mety tsy iray na 2 ihany izy amin’ny olona iray. Mety hoe mipoitra bebe kokoa ny iray amin’ny fotoana manokana ary mifandimby eo.

Ireto manaraka ireo kosa dia fanontaniana afahanao misaintsaina, mitsakotsako ary mampihatra izany:

Fantatrao ve ny fomba fanehoanao fitiavana?

Amin’ny fotoana inona, fihetsika inona no mahatsapa hoe tiana ianao?

Inona no fanaonao matetika ikolokoloina fifandraisana na/sy fitiavana?

Nanangona sy nanoratra: ~ajita SoaSoa

Sary: Smiley Shooting

Fanehoan-kevitra

Zarao ny hevitrao