Hifankatia dia ahoana?
Izay tia hono adala, mahajamba hono ny fitiavana. Rentsika matetika angamba ireo teny ireo. Fa marina tokoa ve izany ? Moa ve ny fitiavana mamono ny eritreritra sy ny fahaiza-mandinika ary ny fahaiza-mandalina?
Tiako izy dia ampy izay, hivady izahay. Teny matetika lazain'ireo zatovo latsam-pitiavana amin'ny olon-tiany. Fa ampy tokoa ve ny fitiavana ?
Raha izaho no anontaniana dia tsotra ny valiny : Eny singa fototra ilaina hisakaizan'ny olon-droa ny fitiavana fa tsy ampy nefa izany hahamatotra Sy hampaharitra ny fiarahana fa Maro ireo fanontaniana Mila apetraka ; iaraha-mamaly sy hiaraha-mandinika.
Tsy haiko hoe amin'ny fotoana inona amin'ny fiarahana no tokony apetraka ny fanontaniana hoe fiarahana matotra sa fifampitaritarihana eny fotsiny ihany no atao. Tsy misy raiki-pohy mamaritra moa hoe afaka firy herinandro na firy volana na firy taona no apetraka io fanontaniana io fa ny roa tonta no mahatsapa Sy mahita hoe Tonga ny fotoana iresahana izany.
Raha toa ka ifanarahana moa fa fifampitaritarihana fotsiny ihany ilay fiarahana fa tsy misy eritreritra ny hahamatotra izany dia efa izay izany ; Samy mahalala fa fialam-boly ihany izany ka tsy misy tokony hanantena na hifampifehy.
Rehefa Samy manaiky fa fisakaizana matotra no tanjona dia maro ireo fanontaniana Mila apetraka, tsy natao hampiady na sanatria hampisaraka fa ahafahana mandamina ny fiainan'ny roa tonta.
Ny lasa
Misy fahamarinany ilay hoe aleo ny lasa omba ny lasa. Fa misy kosa nefa ireo zavatra miseho tamin'ny lasa izay tsy maintsy lazainao ny sakaizanao satria na ho ela na ho haingana dia hisy fiantraikany amin'ny fiarahanareo. Anisan'izany ohatra ny filazana fa efa nanambady ianao teo aloha raha toa ka efa nisy izany. Aleo ianao no milaza azy amin'ny sakaizanao toy izay olon-kafa. Tsara ihany koa ny mampahafantatra azy fa efa nanan-janaka ianao mialohan'ny fiarahanareo. Ohatra ihany ireo fa ianao no mahalala hoe inona amin'ny lasanao no tsara ho fantatry ny sakaizanao.
Ny fanamarihana ny fahamatoran'ny fisakaizana
Samy manana ny fombany, ny finoany ary ny maharesy lahatra azy ny tsirairay. Ao ireo mihevitra fa rehefa ny mpisakaiza no mifanaiky fa hiara-hamakivaky ny fiainana dia ampy izay. Tsy mila fomba fomba na fanaovantsonia fa olon-dehibe Samy mifanaiky. Ao koa ireo milaza fa na dia eo aza izany dia ilaina ihany ny fanaovan-tsonia manoloana ireo manam-pahefana sy ny vavolombelona mba hanamarihana fa tena fiarahana matotra sy ara-panjakana tokoa ity. Ireo mpandala ny fomba sy ny soatoavina Malagasy moa dia milaza fa mila miseho any amin'ny fianakavian-drazazavavy aloha ny fianakavian-drazazavavy. Avy eo mbola misy ny fanatera-bodiondry izay endriky ny fanambadiana ara-pomba Malagasy . Misy ihany koa ireo milaza hoe Mila atao ireo rehetra ireo saingy tsy ampy izany Raha tsy entina hamasinina any am-piangonana ny fanambadiana. Fintina ihany ireo fa Raha hiditra amin'ny antsipirihiny dia mbola mila ifampiresahana ihany koa ny ho endrika isehoan'ireo fankalazana tsirairay avy ireo : ny toerana anaovana azy, ny isan'ny olona ho asaina sy ny sisa.
Izay no mikasika ny fankalazana na fanamarihana ny fahamatoran'ny fisakaizana. Mbola maro anefa ireo lohahevitra mila resahana mialohan'ny hirosoana amin'izany.
Ny nofinofy
Olombelona roa samy nanana ary manana ny nofinofy eto no nampifandraisin'ny fitiavana ka mikasa ny hiara-dia ho doria . Ny fanontaniana eto dia hoe ho avalona any ve ny nofinofy fa hanokatra pejy vaovao hiaraka amin'ny Sakaiza. Tsia ny valiny raha amiko. Mpiara-dia natao hiara hamakimaky ny fiainana aminao sy hifanampy aminao ny sakaizanao fa tsy hoe olona hisakana anao tsy hanatratra ny nofinofinao. Ahoana nefa raha toa tsy mifanjohy mihitsy ny nofinofin'ny roa tonta ? Dia eo ilay mila resahana mialoha. Ho sarotra ny fandidiana raha ka efa ao anaty tokantrano vao fantatra hoe ramatoa Kay te hanana asa hanampy azy hitety izao tontolo izao nefa kosa i ramose te hikolokolo ny vohitra nahabe azy ka tsy te hiala ao mihitsy na inon-kidona na inon-kitranga. Samy manana ny hanitra ho azy ireo nofinofy ireo saingy sarotsarotra ny hampiaraka azy. Izay no ilàna ny fifampiresahana dieny mialoha .
Ny zanaka
Ny hanambadian-kiterahana hoy ny Ntaolo razantsika ka maro ireo milaza fa tsy maintsy miteraka ny mpivady. Mety hahagaga sy tsy hahafaly ny maro ny ilazako fa maro ireo olona misafidy ny tsy hiteraka. Ao ihany koa ireo tsy afaka miteraka noho ny toe-batany. Mila resahana mialohan'ny hirosoana lalindalina ao amin'ny fisakaizana izany rehetra izany hisorohana ny ady sy fifamaliana mety hitranga.

Ny finoana
Tsy anisan'ireo olona manohitra ny fanambadian'ireo tsy mitovy finoana aho fa nefa kosa mametraka hoe ilaina ny fifampiresahana dieny mialoha raha hanatanteraka izany. Samy manana ny fombany sy ny fadiny ny finoana tsirairay . Ao ny andro hivavahana na hanaovana fanompoana, ao ny sakafo tsy azo hohanina. Ahoana no tsy hahatonga izany hitarika olana ao an-tokantrano? Hanana safidy malalaka amin'izay inoany ve ny ankilany sa voatery hanaraka ny finoan'ny an-daniny ? Mila resahana daholo izany.
Ny fiaraha-monina
Olona roa samy nanana ny kolontsainy, ny fomba nanabeazana ary ny fahazarany no andeha hiara-monina eto. Maro no singa Mila resahana ao anatin'izany. Miantomboka amin'ny toerana hipetrahana. Any ambanivohitra sa any an-drenivohitra ? Any amin'ny tranon'ny andaniny sa ny ankilany sa any amin'ny toeran-kafa mihitsy ? Hividy trano sa hanofa trano ? Ankoatra izay Maro ireo fahazarana tsy hitovy toy ny sakafo hohanina, ny fifohazana maraina na ny fiaretan-tory. Anisany zavatra Mila resahana mazava ihany koa ny resaka fitantanam-bola. Hitambatra kaonty sa samy hanana ny azy? Inona avy no fandaniana mila hiaraha-manapaka ? Santionany ireo fa maro ireo singa madinika mila jerena.
Ho fehiny ary, marina tokoa fa rehefa ao ny fitiavana dia azo alamina ny sisa. Fa aleo resahana dieny mialoha mba hisorohana ireo disadisa.
Adrienne I. Rabemanantsoa
Sary: Smiley Shooting
Fanehoan-kevitra
Zarao ny hevitrao
