Inona no atao hoe fiankinandoha ara-pitiavana na koa firaiketampo diso tafahoatra?

Inona no atao hoe fiankinandoha ara-pitiavana na koa firaiketampo diso tafahoatra?

10 mars 2025

Inona no atao hoe fiankinandoha ara-pitiavana na koa firaiketam-po diso tafahoatra?

Ny fiankinandoha ara-pitiavana na koa firaiketam-po diso tafahoatra dia fihetsika miandry ny olona akaiky anao handray andraikitra feno amin’ny lafiny ara-pihetseham-po sy ara-pitiavana mikasika anao. Izy io dia mitranga amin'ny fifandraisana manokana, na amin'ny olona ao amin'ny fianakaviana izany, na amin'ny olon-tiana iray na amin'ny namana.

SMI_9586.JPG

Misy fiantraikany amin'ny olona maro izy io, na dia maro aza no tsy mahafantatra izany. Ny olona miankin-doha amin'ny fihetseham-po dia tsy mahafehy tena ary mahatsapa fahasorenana goavana rehefa tsy eo akaikin'ilay olona ianteherany. Tsapan'izy ireo ny filana tsy mety afa-po miaraka amin'io olona io ary tsy afaka manapaka ny tady izay mamatotra azy amin’io olona io. Izany hoe zary lasa fangejana sy fanerena ilay fitia na dia tsy sitraky ny fony sy ny sainy ary ny fanahiny.

Ireto manaraka ireto no anisany fambara fiankinandoha ara-pitiavana:

~ Tsy zakany ny irery ary ny elanelana ara-batana na ara-pihetseham-po miaraka amin'ny olona hifandraisany dia maneho soritr'aretin'ny adin-tsaina sy tebiteby lava.

~ Noho ny tahotra ny ho irery dia tsy mahafoy ny fifandraisana izy ireo na dia mamotika azy ireo aza izany.

~ Tsy hainy ny maneho ny heviny mazava sy ny faniriana ary matetika matahotra fifandirana izy - mba tsy hampahatezitra ny ankilany.

mifandray tanana.JPG

Matetika izy ireo no mahatsapa ho ambany noho ny hafa ary mahatsapa fa tsy mety amin'ny olon-tiany na tsy ampy. Lasa variana amin'ny hevitra hoe voafitaka izy ireo na hoe ampirafesina sns izy ireo.

Raha liana ny ahafantatra misimisy ny manodidina izany ianao, dia manasa anao hanaraka ny fizarana mivantana ao amin’ny pejy Facebook Sakaiza amin’izao Asabotsy faha-14 Septambra 2024 amin’ny 7 alina lera Gasikara.

Nanangona sy nanoratra: ~ ajita SoaSoa

Sary: Smiley Shooting

Fanehoan-kevitra

Zarao ny hevitrao