Mihaona amin'tranonkalam-pifandraisana ankalalahana

Mihaona amin'tranonkalam-pifandraisana ankalalahana

10 mars 2025

Mihaona amin'tranonkalam-pifandraisana ankalalahana

Araka ny fantatsika rehetra dia misy fomba maro ampiasaina amin'ny fitadiavana olontiana na vady an-tserasera amin'izao fotoana izao: tranokala toy ny sakaiza.com sns...

Etsy ankilany, ireny tranokalampifandraisana ireny dia tsy afaka manamarina na mahafantatra, ny lasa na ny anaty sain'ny mpampiasa azy...

Na dia misy fomba maro azo ampiasaina amin'ny fisolokiana ny mombanao an-tserasera.

Fantaro fa afaka miaro tena tsara isika rehefa hiserasera amin'ilay tena ho Anjara ao amin'ny sakaiza.com?

SMI_9567.JPG

Ireto ary misy fomba azo atao afahantsika miaro tsara ny momba antsika ara-nomerika ary ahafahanao mifanakalo am-pilaminana amin'ny olom-boafidinao amin'ny alalan'ny sakaiza.com?

1️⃣ Ataovy ho tsiambaratelo ho anao manokana sy ireo akaiky anao ny tambajotranao rehetra. (Facebook, Instagram sns)

➡️ Eny tokoa, raha misy mantsy sary hita ao amin'ny ireny kaontinao Instagram na Facebook sns ireny, nefa ampiasainao amin'ny tranokalampifandraisana hafa.

Dia tena ho mora ny mahita anao sy mijirika ny kaontinao, mety ho mora ihany koa ny isolokiana anao amin'ny fampiasana ny mombamomba anao ao amin'ny Instagram ohatra dia ohatran'ny hoe izy ilay tena izy nefa mety isoloky sns izy?

Eny, toy ny amin'ny fifaneraserana manokana rehetra, mora ho an'ny olona ny manao izay ahambabo amin'ny tsy marina, amin'ny alalan'ny fampiasana ny momba anao nangoniny avy amin'ny kaontinao hafa ohatra.

Kaonty hafa , na vaovao mihitsy atao ao amin'ny sakaiza.com?

2️⃣ Hamafiso, hamarino ary ovay matetika ny tenimiafinao.

Fadio ny mizara ny tenimiafinao .

chat room.jpg

Eny, na dia tianao aza ilay sakaizanao tao amin'ny sakaiza.com dia nanapa-kevitra ny hatoky azy haingana ianao?

➡️ Aza manao na mampiseho an-tserasera izay tsy ho ataonao akory amin'ny tena fiainana .

3️⃣ Sakano ary tatero izay mpikambana mampiahiahy raha hitanao fa mety ho fifandraisana sandoka ilay izy (tsy misy sarin'ny mombamomba azy , izay mizara rohy nomerika mampiahiahy...)

➡️ Matokia anao hatrany fa tsy mandainga ny tsindrimandry.

Mazava ho azy fa izay tianao sy tianao dia tsy handratra anao na handainga aminao izany.

Ilay tena ho Anjara ato amin'ny sakaiza.com tsy hanao izany?

4️⃣Farany, vakio foana ny tolo-kevitry ny tranonkala tsirairay mba hahazoana antoka fa manao izay rehetra azonao atao ianao mba hitazonana ny mombamomba anao ho tsiambaratelo.

Atmika Aimpirenena

Sary: Smiley Shooting

Fanehoan-kevitra

Zarao ny hevitrao