Miraiki-po, miankidoha ara-pitiavana na miaina “dépendance affective”
Matetika ny fototry ny “dépendance affective” dia avy amin’ny tahotra na tsy fahatokisana ny tsy ho tiana ary miafara amin’ny fangejana sy fanerena ilay sakaiza fa tsy fitiavana. Miendrika famenoina ny banga izy io. Ary raha mitohitohy dia lasa tsy mahasoa ny andaniny sy ny ankilany (relation toxique).
Tsarovy fa mahasoa ny fiarahan’olondroa ny mikarakara tena. Indro lahatsoratra miresaka momban’izany amin’ny teny Anglisy raha mbola tsy voavakinao: https://www.sakaiza.com/en/blogs/self-love-in-a-relationship
Raha te hanana fiarahana tsara amin'ny olon-kafa dia manampy raha manana fiarahana tsara amin'ny tenanao aloha ianao.
Ireo mety ho fambara fa miaina anaty “dépendance affective” ny olona iray: mora mirotsaka na latsa-pitiavana, mora mifikitra, matahotra ny hilaozan’ilay olon-tiana, tsy mahay maneho na mifehy fihetseham-po ara-pitiavana indrindra fahasarotam-piaro, ankininy tanteraka amin’ny fiarahana miaraka amin’ilay iray ny fahasambarany, mitaky be ny hanehoana fitiavana amin’ny lafiny rehetra ary tsy tsapany ilay fitiavana raha tsy amin’ny fomba fanehoany fitiavana ary takiany mihoatra ary… Marina tokoa anefa fa tsy misy mahavita tena fa mahasoa rehefa mifandanja hatrany izany.
Ianao aloha no sakaiza ho tena anjaranao izay vao sakaiza tena anjara ho an’ny hafa. Koa mahaiza misafidy ilay sakaiza ho tena anjara.
Nanoratra: ~ajita SoaSoa
Sary: Smiley Shooting
Fanehoan-kevitra
Zarao ny hevitrao
