Ny mety ho endriky ny fitiavana marina
Nojerentsika tamin’ny farany teto amin’ny Blaogin’ny Sakaiza ny hoe: “Ahoana no Hahalalako Raha Tena Fitia Tokoa Izy Ity?”
Ny lahatsoratra anio kosa dia hiresaka ny mety ho anisany endriky ny fitiavana marina…
Ny fitiavana azo antoka dia tsy dia misy hoe toerana alehany (destination) loatra; fa karazana lalankizorana tsy tapaka izay ahitanan’ny samy Sakaiza soa na ho an'ny tenany, ho azy roa ary ho amin’ny fiarahany, ny ankohonany…
Raha oharina amin’ny boky ohatra ny fitiavana, ny fitiavana marina dia tsy ilay fiafaran’iny tantara iny loatra, fa dingana amin'ny fanoratana tantara mitohy hatrany. Anisany ao anatin'izany ny fahatsapana ny fifampiarovana, ny fifampitokisana ary ny lanjany eo imason'ny Sakaizanao. Ity karazana fifandraisana ity dia manampy amin'ny fampivelarana fifamatorana amin’ny lafiny ara-pihetseham-po lalina sy fifankazahoana akaiky.
Satria resaka fitiavana marina no resaka eto, indraindray misy olona tonga dia mahatsapa ilay tena fitiavana marina azony sy tsapany. Misy koa anefa no sahirana mamantatra, mahazo sy mahatsapa azy. Ny anisany mety ho antony dia satria ny fitiavana marina dia tsy hay lazaina, fahatsapana ambonin'ny zavatra rehetra izany. Io fahatsapana io dia manambara sy midika fifandraisana ara-pihetseham-po, fifampitokisana ary fahasahiana ho resy eo anatrehan’ny fitiavana marina.
Ny tena fitiavana tsy mitovy amin'ny adrenalinina fa toy ny fahatsapana fahatoniana lalina mijanona aminao Sakaiza aorian'ny fifamihinana tena nilainao ohatra. Tsy mampametra-panontaniana matetika, na mampiozongozona lava, na mampisy fihetseham-po mifangaroharo any amin’izay Sakaiza mandray azy ny tena fitiavana. Mahatsapa ho tena marina ihany koa izay Sakaiza mandray azy ary mahatsapa ilay fitia amin'ny fomba lalina ihany koa.
Fa izao aloha; mety tsy nanoratra an’ity ranty ity isika raha moramora tahak’izany ny fandehan’ny tantara manodidina ny ftiavana marina. Satria ny fitiavana na marina na tsia dia mampijaly, mampifaly na izy roa mitambatra na eo anelanelany. Anisany lohahevitra resahan’ny olona be indrindra ny fitiavana. Asa nahoana loatra re??

Misy koa ny Sakaiza manana fitiavana lalina sy marina amin'ny sakaiza iray kanefa tsy maniry ny hanohy ny fifandraisana na te hiaraka aminy ihany koa…
Hotohizantsika ve? Lazao etsy amin’ny taria ary na eny na tsia.
Nanoratra: ~ajita SoaSoa
Sary: Smiley Shooting
Fanehoan-kevitra
Zarao ny hevitrao
